Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihariana amina faritra maro: mibahan-toerana ny fomba tranainy fiompiana tantely

Fihariana amina faritra maro: mibahan-toerana ny fomba tranainy fiompiana tantely

Seha-pihariana iray tsy azo atao ambanin-javatra ny fiompiana tantely. Manampy betsaka amin’ny fidiram-bolan’ny tantsaha ny fiompiana izany. Any amin’ny faritra sasany, tsy maharaka ny tolotra, mahatonga ny fisian’ny famarotana vokatra mifangaro tsy tena izy.

Tombanana ho 3 000 t hatramin’ny 4 000 t isan-taona ny vokatra tantely manerana ny Nosy. Mamokatra ny 50 % amin’ireo ny any avaratra sy ny any avaratra andrefana; ny 30 %, any  Amoron’i Mania, indrindra ny ao amin’ny distrikan’Ambositra sy i Manandriana; 20 % ny  eto afovoan-tany sy any atsinanana. Fa amin’ny ankapobeny, faritra efatra no tena malaza mpamokatra tantely: i Manjakandriana, afovoan-tany; i Maroantsetra, any atsinanana; i Befandriana Avaratra sy Antsohihy, raha any avaratra; ary i Morondava, any andrefana.

Ankoatra ny tantely vokatra fototra, eo koa ny savoka azo avy amin’ny fiompiana azy. Fampiasa indrindra amin’ny fitsaboana izy io. Ahitana singa karazany maro ho an’ny fahasalamana ny fikarohana natao ara-tsiantifika amin’ny tantely, toy ny otrikaina isan-karazany. Hita anefa fa mbola mibahan-toerana amin’ny faritra rehetra ny fomba tranainy eo amin’ny fiompiana azy, indrindra fa any amin’ny faritra atsinanana, 90 %.

Na izany aza, mitombo tsikelikely ireo mpiompy mampiasa teknika vaovao, tohanan’ny vondrona samihafa, manome fanofanana. Samy hafa ny teknika entina miompy, miankina amin’ny faritra sy ny tontolo iainana. Misy amin’ny tantsaha ny mifantoka manokana amin’ny fiompiana tantely ho fidiram-bolany. Tsy manao asa hafa intsony fa manara-maso sy manome vahana izany seha-pihariana izany hatrany amin’ny fivarotana azy.

Ny hafa indray, fanampina asa amin’ny voly vary, ny letisia, ny lavanila, ny jirofo ny fiompiana tantely. Olana amin’ny ankapobeny, mbola lafo ho an’ny tantsaha ny fitaovana hoenti-miompy tantely.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.