Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Be loatra ny orana: sahiran-tsaina ny tantsaha any Alaotra

Be loatra ny orana: sahiran-tsaina ny tantsaha any Alaotra

Voatery mamolaka ny fomba fiasany araka ny zava-mitranga hatrany ny mpamboly aty Alaotra. “Ny 40 isan-jaton’ny orana mpirotsaka isan-taona, rehefa volana janoary, iny nikorodana indray mandeha iny teo”, hoy ny Foibem-paritr’Alaotra-Mangoro, mpandinika ny toetr’andro. Efa ho herinandro izao, maina foana ny andro. Dia ho ritra sahady tokoa ve ny orana? Soa aloha fa feno tsara avokoa ireo tohodrano ary mikoriana tsara ny renirano. Mafotaka ny fanoloana ireo ketsa, tototry ny tondradrano, ho an’ireo tratran’izay voina izay. Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa hanome zana-bary ho solon’ny simba ny fanjakana. Andro anefa isaina dia ho tapitra ny fotoana azo hanetsana ary hiditra amin’ny fiavana. Tsy mifandanja amin’ny vola ilaina amin’izany mihitsy ny vidin’ny akotry, vokatra tamin’ny taom-pambolena 2019, raha  ny andraisan’ireo mpanangom-bokatra azy.” Zara raha tafakatra 900Ar ny kilaon’ny akotry”,hoy ireo mpikambana amin’ny Cecam sy ny Otiv. Izao anefa no fotoana famerenam-bola.

Any Andilamena, vao mainka nampidina io vidin’akotry io iny andro ratsy iny. Aleon’ireo mpanangom-bokatra mividy any Amparafaravola aloha, vao miditra any amin’iny ratsy làlana any.

 

Tsy hita izay tena vokatra

 Manao izay tratry ny sainy sy ny eritreriny ireo teknisianim-panjakana manao izay ahitan’ ireo tantsaha mpamokatra tombontsoa avy amin’ireo paikady fanatsarana ny fomba fambolena. Efa any amin’ny dingana fahatelo, fampiharana ny fomba fambolena voafolaka izao ny Papriz. Nifantina sy mampiasa “tantsaha mpanofana” ny Draep hanaparitaka ilay fomba fambolena.

Rehefa fotorina ireo mpamboly, tsapa ho mbola lavitra ihany ny tanjona antenain’izy ireo amin’ny fameloman-tenany. Ireo ao anaty Cecam sy Otiv sasany milaza fa “…toa hiverina hanjary banky indray angaha, hono,  ireo fifampindramam-bola ireo? “.Toa lalàna tamin’ny fitondrana teo aloha,  miandry fampiharana fotsiny sisa angaha izy izany? …Efa mivadika io anefa ny toetr’andro. Ampiasaina ny zezika, ampiasaina ny fanafody…tsy hita izay tena vokany. Ny mpamboly tsotra sahirana.  Ny mahitahita sy mpanao politika fetsilahy, mampamboly olona any anaty zetra, manimba Tontolo iainana. Novakian’ny  lefitry ny Lehiben’ny disitrikan’ Amparafaravola  bantsilany io  tamin’ny Fetin’ny Zetra farany teo.

                                                                                                                  Rarivo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.