Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FAO – 2013 – 2019: 150 ny tetikasa teto Madagasikara sy ny Nosy manodidina

FAO – 2013 – 2019: 150 ny tetikasa teto Madagasikara sy ny Nosy manodidina

Hatramin’ny taona 1961, efa mpikambana ao amin’ny FAO i Madagasikara. Ny FAO, sampana iray ao amin’ny firenena mikambana miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Solontena farany niasa teto nandritra ny enina taona i Patrice Talla Takoukam, notolorana mari-boninahitra, ny 23 janoary teo. Tao anatin’ny enina taona sy tapany niasany teto Madagasikara sy tamin’ireo Nosy manodidina (i Comores, i Maurice, i Seychelles), 150 ireo tetikasa novatsin’ny FAO vola na nampinfandrindrana tamin’ny asan’ny FAO.

Anisan’ny tetikasa iray tao anatin’ny fotoam-piasan’i Patrice Talla Takoukam ny fanohanana teknika an’i Madagasikara nanatanterahana ny asa eo amin’ny ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, anatin’ny fandaharanasa ho an’i Madagasikara miainga avy amin’ny fiaraha-miasa samy tany tsatsimo nosoritan’ny FAO, hanampian’i Sina an’i Madagasikara.

Tafiditra ihany koa ny nataon’ny FAO tao anatin’izay fotoana izay ao amin’ny fandaharanasa ankapobeny ny fanjakana 2019-2023. Miampy ireo ny Cadre de programmation pays (CPP) ho an’ny fahavitan-tena sakafo sy ireo tetikasa amin’ny ankapobeny maro mahakasika ny fambolena, ny fiompiana, ny jono.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.