Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Friends of Madagascar: nanolotra fitaovana ho an’ny ligy

Friends of Madagascar: nanolotra fitaovana ho an’ny ligy

Nohararaotin’ny fikambanana Friends of Madagascar ny fotoana omaly, nanolorany fitaovana toy ny fanamiana (short, maillot), baolina, “faux bas”, ho an’ireo ligim-paritra. Nahazo ny anjarany ihany koa ny mpitsara ka nomema fanamiana sy kiririoka. Nambaran’i Franck, tomponandraikitry ny Friends of Madagascar, fa anjara birikin’izy ireo, amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra, ny antony anaovan’izy ireo izao fihetsika izao, ary tsy hiandrasan’izy ireo tambiny na kely aza.

Nomarihiny kosa fa ireo ligim-paritra tena mitoka-monina sy sahirana aloha no hisitraka izany voalohany, amin’izao fanombohana izao, fa samy hahazo ny anjarany avokoa ireo ligim-paritra 22 eto Madagasikara. Nisolo tena ireo ligy sahirana ry zareo avy any Maintirano izay nisaotra sy nankahery ny fikambanana, amin’izao fanampiana ataony izao. Ankoatra izay, samy nanana tranoheva nampirantiany sy nampahafantarany ny zava-misy ao aminy ireo ekipa tsirairay sy ireo sekolin’ny baolina kitra, misy eto Madagasikara, mandritra ity fikaonandoham-pirenena ity.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.