Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Songadina an-tsary

Songadina an-tsary

Ankoatra ny mpivarotra amoron-dalana, anisan’ny manelingelina ny fifamoivoizana sy ny mpandeha an-tongotra koa ny fanahazam-bary eny amin’ny arabe. Mila andraisana andraikitra koa ireny.

Mbola mitohy hatrany ny fandaminana ireo mpandeha an-tongotra eny amin’ny manodidina Anosy. Tsy vita indray andro ny fanentanana.

Tsy tafifa ve hafatra sa ny olona mihitsy no minia tsy miraharaha? Mbola maro ikreop tsy manaja ny faritra voatokaha hiampitana arabe. Mila miezaka hanara-dalàna ny rehetra mba hisian’ny firindran’ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra. Tsy sasatra anefa ireo mpitandro filaminana manao ny fanentananana.

Tsy ny mpandeha an-tongotra ihany no tsy manaraka ny toromarika. Mbola mila fanentanana mafimafy ny momba ireo sarety miantsona eny rehetra eny izay manelingelina ny lalana. Eo ihany koa ireo taxi-be tsy manaja ny fiantsonana. Tsy mba mahafinaritra kosa veny mahita tanàna milamina mahate honina e?

Tsy parking kosa eto e! Lalan’ny mpandeha an-tongotra io. Ary amin’izay fiara “takelaka mena”. Fiaram-panjakana izany ireo a.

Tsy hoe mitanisa. Fa saika ahitana toy izao avokoa ny sisin-dalana eto an-dRenivohitra. Aiza ho aiza ny fandraisana fepetra amin’ny toy izao? Milamanova toe-tsaina sy fomba fiaina ny rehetra mba hampanjaka ny filaminana.

Sary: Tiana R, Mamiherison ary Fanou

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique