Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fakafaka: arofanin’ny haisoratra ny mpamaky

Manana ny anjara toerana lehibe eo amin’ny literatiora ny mpamaky. Arofanina manainga, mamelona ny zavakanto ary mitondra risi-po ho an’ny mpanoratra izy ireo. Ahoana tokoa moa raha tsy misy ny mpamaky? Mandeha ila ny soratra, mijanona ho anao nanoratra azy ihany. Araka ny tononkalon’i Rado, nalaina tao amin’ny boky Z0, tak. 139. 140.  (30.07.1983): “ Hanoratra indray hoe ? Hanoratra ahoana ?Ny vita hatrizay aza tsisy mpamaky… Fa tahaka ny resaka atao amin’ny moana….Toa entan-tsy lafo tsy nisy mpitaky”.

Indraindray anefa, mihataka amin’io “asany” io ny mpamaky noho ny antony samy hafa. Ny ankamaroany anefa, toa miankina amin’ny mpanoratra. Maro amin’ny mpamaky, ohatra, no tonga tsy liana intsony amin’ny haisoratra. Tsy voafehin’ny mpanoratra ny fitsipipitenenana sy ny tsipelina. Ao ihany koa ny soratra terena loatra hanaraka vanim-potoana ka mahavery ny aingampanahy madiorano feno hatsaran-tarehy manitra talenta voajanahary, araka ny nambaran’i Randja Zanamihoatra ao amin’ny Vainafo tononkira hoe : “ Raha mbola tsy ary akory ny vatanao malia, no efa niantso anao ny sary sy ny hira”…  Indrindra indrindra koa ny fahamaroan’ny olona mitonona ho mpanoratra ka manely soratra etsy sy eroa, feno rimarima fotsiny ihany, manaratsy endrika ny tena antsoina hoe mpanoratra ireny. Miteraka hakamoana ho an’ny mpamaky ny tahaka izany. Hitsarany sy hametrahany ny mpanoratra ho ao anaty garaba iray, “ izany ve no mba soratra!?”

… Tsy misy handrara tsy hanoratra velively … Aina ho an’ny firenena rahateo ny literatiora ary voninahitra ny fananana mpanoratra maro … Fa mpanoratra manao ahoana tokoa moa ny hovolavolain’ity vanim-potoana ankehitriny ity?” Izay mamaly ny filan’ny mpamaky. Mety tsy ho izay loatra, angamba, fa mpanoratra afaka manome lanja sy hasina ny asa sorany sy izay hamaky izany!

Narilala sy HaRy R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique