Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mivarotra lalao

Toe-javatra fahita amin’ny fanatanjahantena ny fivarotana lalao. Amin’ny lalao iraisana no tena ahitana izany fa tsy amin’ny lalaon’olon-tokana akory. Efa tsy manao izany intsony kosa anefa ireo ekipa lehibe any Eoropa sy ny firenen-dehibe efa manana ny toerany, fa mbola misy ary betsaka no manao izany, aty Afrika.

Raha ho an’ny eto Madagasikara, betsaka ireo mpitantana no mimenomenona ary mandrava ny klioba tantaniny mihitsy noho io fivarotana lalao io. Mety ho mpanazatra na mpilalao iray na roa ao anaty ekipa no manao izany. Raha ho an’ny teknisianina, ovainy ny firafitry ny mpilalao eny ambony kianja. Tsy alahany voalohany, ohatra, ny tompon-toerana na esoriny an-tenantenany. Ny mpilalao indray mody manao voa na marary mialoha ny fihaonana.

 Efa vita mialoha ny hiakarana kianja ny resaka amin’ny mpifanandrina ka na manao sarimihetsika na tsy tena milalao fa manao “passe”-ndrafilahy, hoy ny mpijery, rehefa milalao. Toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany izany. Voanao amin’ny vola tsy hahavita taona ny ekipa sy ny mpitantana, fa hahavery ny mpanazatra sy ny mpilalao an-taonany maro.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.