Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanarenana fotodrafitrasa: novahan’ny MAHTP ny olan’ny lalana Anjiajia-Mahajanga

Fanarenana fotodrafitrasa: novahan’ny MAHTP ny olan’ny lalana Anjiajia-Mahajanga

Ho nofy ratsy sisa afaka andro vitsy. Niditra an-tsehatra avy hatrany nanarina ny fahatapahan’ny lalana  eo Anjiajia, Ambondromamy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy (MAHTP),  ny asabotsy teo. Nisedra olana ny mpitatitra sy ny mandeha.

Nidina ifotony namaha olana avy hatrany.  “Hametrahana karazana tetezana vonjimaika io lavaka be io. Tokony ho afaka  mandeha daholo ny fiara,  afaka iray andro  eo  ho eo. Mbola ny fiviliana vonjimaika ao anaty rano aloha izao no andehanan’ireo fiara”, hoy ny  minisitry ny MAHTP, Andrianainarivelo Hajo tany an-toerana, ny  faran’ny  herinandro  teo. Natsidiny sahady fa hametraka fotodrafitrasa maharitra isika manomboka izao raha manify sy tsy  maharitra ny ankamaroan’izany.

Tapaka nanomboka ny alarobia izany lalana izany, noho ny andro ratsy. Nofaohin’ny rano ireo bizo teo ka nihotsaka tanteraka. “Efa efatra andro izahay teto foana… Nitombo ny fandaniana rehetra ao anatin’izany. Mahatratra 2 hatramin’ny km ny halavan’ny fiara mitandahatra amin’ny an-daniny sy an-kilany, miandry ny fvahan’ny olana teto”, hoy ny mpamily kamiao  iray.

Tsy maintsy eo hatrany ny fanararaotana

Afaka nandeha kosa  ireo fiara madinika sy ny 4×4 ary ny taksiborosy, saingy midina avokoa ny mpandeha, miampita ilay rano nanaovana ny fivilian-dalana. “Manakarama mpibata kesika voatabia nentina avy any Antananarivo, miampita sy hifindrana amin’ny kamiao iray hafa izahay.  1 000 Ar ny miloloha ny iray… Ampidirina anaty masonkarena avokoa izany”, hoy ny mpamatsy legioma. Tsy ela koa ny mponina eny amin’ny manodidinana , tahaka ny efa fahita eto amintsika. Mivarotra eo amoron-dalana izy ireo, ankoatra  ireo tanora  mikarama mitaona entana. “Manomboka amin’ny 3 000 ka hatramin’ny  4 000  Ar ny lovia iray, arakaraka ny laoka... Ny kafe misy ronono sandaina hatrany amin’ny 6 00 Ar…  ”, hoy ny ramatoa mpivarotra iray.  25 000  Ar ny saran-dalana Antananarivo – Anjiajia tamin’ny nahatapahan’ny lalana tanteraka.

Efa mijery ny vahaolana  : RN44 sy ny RN6…

Mbola hafa indray ny aloa mandeha mankany Mahajanga avy eo.

Nampanantena ny MAHTP fa tokony ho vita anio izany. Efa mamaha ny olana amin’ny fahatapahan’ny  lalana sy ny tetezana any amin’ny faritra hafa koa  ny fanjakana. Anisan’izany ny any amin’ny  RN6  sy ny RN44 sy ireo tena miantoka ny toekarem-pirenena…

Sary sy soratra :  Synèse R. 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique