Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fambolen-kazo 2020 – Toamasina: miavaka amin’ny asa vita ny Spat

Fambolen-kazo 2020 – Toamasina: miavaka amin’ny asa vita ny Spat

Amin’ny ankapobeny, efa manana ny datin’ andro fanaovany sy fanatanterahany ny fambolen-kazo isan-taona ny orinasam-panjakana, seranan-tsambon’ i Toamasina Spat*: ny voalohan’ny volana mey, ary eo Ivoloina ny hanatanterahana izany, amin’ity taona ity.

Na izany aza, anisan’ny nandray anjara mavitrika ary niavaka tamin’ny fambolen-kazo ofisialy niraisan’ny Nosy, ny 19 janoary teo tetsy Antetezana, lalam-pirenena fahadimy, anatin’ny kaominina Foulpointe ny Spat. Lohalaharana teo amin’ny fahamaroan’ ny olona tonga nandray anjara, satria miisa 250 be izao ny mpiasan’ny Spat namboly hazo notarihin’ny tale jeneraliny,   i Christian Eddy Avellin, ary namita fambolena zana-kazo miisa 1250.

Tsy vitan’izay, nambaran’ny tale jeneraly, i Christian Eddy Avellin, ihany koa fa “hisy sampana eo anivon’ny seranan-tsambon’ i Toamasina hanara-maso ny zana-kazo voavoly”. Naka velaran-tany miavaka niarahan’ny rehetra namboly ny Spat fa mifanila kosa eo amin’ny toerana nanaovana ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ihany. Nasehon’ity orinasam-panjakana ity fa manaraka antsakany sy andavany ny fandaharan’ asam-panjakana ny orinasa.

 

Sajo

 

Spat* : Société du port à gestion autonome de Toamasina

 

Les commentaires sont fermées.