Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley – « CCC Zone7 »: tsy mandray anjara ry Rose de Lima sy Melissa

Volley – « CCC Zone7 »: tsy mandray anjara ry Rose de Lima sy Melissa

Ankoatra an’i Ange milalao ao amin’ny Quatres Bornes Maorisy, tsy handray anjara amin’ity andiany faha-26 hiadiana ny amboaran’ny klioba ho an’ny tarika tompondaka aty amin’ny faritra faha-7 ity, hotanterahina eto Madagasikara ny 13 hatramin’ny 23 febroary 2020, ry Rose de Lima sy Melisa, milalao any Seychelles. Tsy tafita hiatrika izany mantsy ny klioba misy azy mirahavavy. Ny klioban’ny ARSU no nilalaovan’i Melisa raha ny Pralins Girls no nisy an’i Rose. Ho an’ity farany, nifindra ao amin’ny klioban’ny Cascade ny tenany, saingy tsy vita ara-potoana ny fifindrany, ka nahatonga azy tsy mbola afaka hanatevina ity klioban’ny Cascade ity mandritra ny fiadiana ny “CCC Zone7”, tanterahina eto amintsika eto io. Tsiahivina fa isan’ireo mpilalao manana ny toerany ary mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy izy miravavy ireto, izay rahateo ny nahatonga iretsy klioba avy atsy Nosy rahavavy iretsy haka azy ireny izay tsorina, tena andrin’ny klioba seyseloazy avokoa, saingy tamin’ity indray mitoraka ity, samy nihoaran’ny klioban’ny City Ladies sy Cascades ny klioban’izy mirahavavy.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.