Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Gold Top 20»: hiady laharana ny Uscar sy ny 3FB

Rugby – «Gold Top 20»: hiady laharana ny Uscar sy ny 3FB

Hitohy, rahampitso alahady 26 janoary eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fifaninanana “Gold Top 20”, taranja rugby. Hiady laharana ny Uscar sy ny 3FB. Hangotraka ny fihaonana eo amin’ny roa tonta satria hiady ny rambony, izany hoe, ny laharana fahafito sy ny fahavalo, amin’ireo ekipa hiatrika ny amboaran’ny filoha, izay resy eo. Ekipa efa diso mifankahalala tsara izy ireo. Ady boaty ny ilazan’ny mpankafy ny baolina lavalava azy. Samy manana ny fomba filalaony ny roa tonta. Ny 3FB, toy ny mahazatra azy, manafangaro ny “avant” sy ny “trois quart”, raha milalao amin’ny hafainganam-pandeha kosa ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Ankoatra izay, hotanterahina amin’io andro io ihany koa ny lalao ampahefa-dalana, ho an’ny “federal 2”. Lalao telo, hatao eo amin’ny kianja Makis: ny fihaonan’ny Mang’Art Manjakaray sy ny Boeny Misôma arahin’ny XV Family Manarintsoa Atsinanana sy ny Stade Olympique de l’Emyrne ary ny FTAT Anosibe sy ny UASC Cheminots. Any Toamasina kosa ny lalao iray, ny fihaonan’ny FBM Bemasoandro Itaosy sy ny ekipan’Atsinanana.

 

Tompondaka

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique