Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Tournoi Firaisankina»: hanala vela amin’ny mpanao gazety ny mpanao politika

Kitra – «Tournoi Firaisankina»: hanala vela amin’ny mpanao gazety ny mpanao politika

Hotanterahina, rahampitso alahady 26 janoary amin’ny 1 ora tolakandro, eny amin’ny kianja Elgeco Plus By-Pass, ny lalao miverina, amin’ny «Tournoi Firaisankina», hikatrohan’ny mpanao gazety sy ny mpanao politika (ekipa Fair-play). Hanala vela amin’ny mpampahalala vaovao, amin’ity, ry zareo politisianina. Raha tsiahivina, resin’ny mpanao gazety, tamin’ny isa 8 no ho 4, teo amin’ny fihaonana voalohany, notanterahina ny alahady 6 oktobra 2019, ry zareo ireto. Samy nanambara ny fahavononany ny roa tonta na efa nampiomana mialoha aza ny mpanazatran’ny Fair-play fa hanamontsana ny mpifanandrina aminy. Marihina fa lalao firahalahiana izy ity, ary tsy misy vidim-pidirana. Tanjona ny mba hanala azy amin’ny fanatanjahantena, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny Alphe Generation, mpikarakara ny hetsika. Mpiara-miasa matetika amin’ny fampandrosoana ny firenena ny roa tonta ka natao hampihavana sy hiraisana ny lalao. Ajanona ivelan’ny kianja ny loko politika sy ny tsy fitovian-kevitra, amin’ity. Samy hahazo amboara avokoa ny ekipa mpandresy sy resy. Hisy ihany koa ny fanendrena ny ho mpilalao mendrika, ho an’ny andaniny sy ny ankilany. Hanolotra fahatsiarovana ho an’ny ekipa roa tonta ihany koa ny mpanohana ny lalao.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.