Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Efa manalavitra tsikelikely ny morontsiraka ilay faritra andro ratsy. Any amin’ny manodidina ny 370 km avaratra atsinanan’i Brickaville no misy ny ivony, omaly. Mitombo hery ka lasa dépression tropicale “Futur Diane” izy io ary manatona tsikelikely ny Nosy rahavavy (i La Réunion sy i Maorisy). Na efa manalavitra an’i Madagasikara aza izy, mila mitandrina hatrany ny any amin’ny faritra Atsinanana rehetra, indrindra fa ireo mpampiasa ranomasina fa hahery ny ranomasina.

Mbola mitoetra any amin’ny faritra avaratry ny Nosy ny fitsokan’ny talio ka mbola mitondra orana betsaka, indrindra ny any amin’ny faritra Diana, araka ny hita amin’ny sary.

Notontosaina, omaly, ny lanonam-panokafana ny fankalazana ny jobily faha-45 taon’ny CEG Ivohitra Antsirabe. Ny taona 1975 no niorina ity sekoly ity, “Zanahary, tsofy rano ity sekoly mba tantan, hoo reharehan-dray sy reny, ka ho tojo ‘zay kendreny” . Io kosa ny teny fanevan’izao jobily faha-45 taona izao. Efa maro ireo olomangan’ny firenena nivoaka tao amin’ity sekoly ity. Tanjona hatrany ny hamolavola tanora ho olom-banona sy hamiratra.

Les commentaires sont fermées.