Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Afrobasket 2021 »: mbola vonona handresy an’i Zimbaboe ny Malagasy, anio

 

Ady farany ho an’ny ekipa malagasy miatrika ny lalao mialoha ny fifanintsanana ho an’ny « Afrobasket 2021 » ny lalao anio, hihaonana amin’ny ekipan’i Zimbaboe. Lalao miverina, eo amin’ny roa tonta, hotanterahina amin’ny 4 ora tolakandro (ora eto an-toerana). Mbola vonona handresy fanindroany ity ekipa ity ny solontena malagasy ary hiezaka ny hampitombo hatrany ny elanelan’isa.

Raha hiverenana ny lalao efa vita hatramin’izay, tsara fanombohana ny Malagasy satria nahomby avy hatrany tamin’ny lalao mandroso voalohany nihaonany tamin’ny ekipan’i Zimbaboe, izay nandavoan-dry Elly sy ny namany ity ekipa ity, tamin’ny isa 74 no ho 57. Tsiahivina fa nanana herijika hatrany am-piandohan’ny fifaninanana ny Malagasy tamin’ity lalao ity ary izany herijika izany no mbola entiny handresena an-dry zareo Zimbaboe, anio. Teo amin’ny andro faharoa kosa, somary mafimafy ny ady natrehin’ny ekipa malagasy satria isa sahala 84 no ho 84 ny niafaran’ny fihaonana tamin’i Zambia izay notohizana tamin’ny fanalavam-potoana 5 minitra, ny ampitson’ny fifaninanana, ka nivoahantsika ho mpandresy, tamin’ny isa 98 no ho 91. Tafapetraka laharana voalohany vonjimaika, nanomboka teo, ny Malagasy ary nanana isa 4.

Marihina fa notanterahina, omaly, ny lalao miverina nihaonan’ny Malagasy tamin’i Zambia, saingy tsy mbola voaray eto am-pelantanana ny voka-dalao, nialoha ny fiafaran’ny ora fanoratana ka hotaterina eto ihany amin’ny fotoana manaraka.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique