Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo,resaky ny mpitsimpona akotry: Samy manana ny fomba fijeriny

Tamin’ny fotoana nanendreny ireo mpikambana ao amin’ny governemanta no efa nanambara ny filoham-pirenena fa tsy maintsy atao ny tombana mikasika ny fahombiazan’ny tsirairay momba ny fanatanterahana ny andraikitra nankinina taminy avy. Nanamafy moa izy fa tsy maintsy hisy ny fanovana raha vao vita ny tombana izay ataon’izy sy ny praiminisitra amin’izao fotoana izao. Ny filazana izay no ela dia iny samy mihazakazaka tsy irahana avokoa izao rehetra be fanetre-tena sy fahasahiana izao amin’ny fanambarana ho marina ny vinavina manokana, toy ireny hoe raikitra ny fifaninanana momba ny fananana talenta eo amin’ny faminaniana ahafahana mamaha ny any an-tsain’ny filoha.

Azo lazaina tokoa fa miankina amin’ny fomba niatrehan’ny minisitra tsirairay ny adidy ao amin’ny sehatra iandraiketany, fa izay koa moa arakaraky ny fitrangan-javatra tsy miankina mivantana aminy toy ny fahasarotana ateraky ny krizy misy any ivelany… Samy manana ny maha izy azy ny minisitera, ao ireo tsy hita hotsapain-tànana vetivety ny fiovana natao, ao ny sasany izay miandry aman-taonany vao mitondra vokatra ny fanavaozana efaina… Misy anefa asa mivaingana azo iadin-kevitra ny maha rariny na tsia ny antony nanaovana azy, ny maha arifomba na tsia ny fanefana azy, ny famokarany ara-potoana na tsia araka izay fanahafan’ny fisehon’ny vokatra amin’izay niandrasana azy na tsia avy amin’ireo ezaka voalaza ho natao…

Maro karazana ny andraikitra sahanina eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, ary raha mahamenatra ka tsy azo lazaina aza fa nanaotao foana nandritra izay 60 taona nazahoana fahaleovantena izay, ankehitriny raha tototry ny fahamaizana fa mitaky fanamboarana sy fanarenena izay hierehana rehetra dia tsy misy izany hoe tsy ao anatin’ny laharam-pahamehana izany, samy maika avokoa. Aiza ve izao raha rehetra anaovan’ny fitondrana ezaka izao dia hisedra fanatsatsoana na fanaratsiana avokoa amin’ny fanambarana tsikera hoe misy zavatra hafa mahamehana lavitra? Rahoviana izany vao hokasihana ny lavitra ezaka lazaina ho tsy mahamaika ?

Misy koa moa ny asa mivaingana taza-maso, eo andanin’izany anefa misy ny ezaka mangina misoko moramora izay tsy nomena hasiny angamba hatramin’izay noho izy izay tsy marevaka izay ka tsy manaitaitra ny mponina, izany hoe tsy misarika ny mpifidy. Manana andraikitra koa ny vahoaka eo amin’ny fahombiazan’ny raharaha na tsia, raha tsy mijery afa-tsy izay mamiratra ka mety ho sodokan’ny akoso-bolamena.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.