Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahavitan-tena sakafo: « Vahaolana ny fanitarana ny velaran-tany ”, hoy ny minisitry ny Fambolena

Nanampy fanazavana ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep), Ranarivelo Lucien, omaly, mikasika ilay tetikasa hambolen’ny orinasa  Emirati, avy any Emirats Arabo, LLC Elite agriculture, any Bas Mangoky. Mifanojo amin’ny tanjon’ny Maep, sady voafaritry ny velirano fahasivy, mikasika ny fahavitan-tena sakafo, ity tetikasa ity.

Anjara birikin’ny fitondrana amin’ity fifanarahana ity, andaniny, ny famaritana ny tany, 60 000 ha, hanaovana ny tetikasa ary an’ny orinasa mpampiasa vola, ankilany, ny hitondra ny fahaiza-manao, ny fitaovana maoderina, ary ny vola hampiasaina. Efa voaporofo ny zava-bitan’ity orinasa ity tany Rwanda, tany Etiopia ary tany Mozambika, ka iaraha-mahita ny fivoarana toekarena, indrindra ny fambolena any amin’ireo firenena ireo.

Velaran-tany vaovao 100 000 ha

Nohitsin’ny minisitra Ranarivelo Lucien koa fa miova ny paikadin’ny fitondrana hanatrarana ny fahavitan-tena sakafo. Tsy maintsy hitarina ny velaran-tany hojarina sy hambolena fa tsy mionona amin’ny fampiakarana ny tahan’ny vokatra, toy ny natao tany aloha fotsiny. Izay ny antony nametrahana ny tanjona, velaran-tany vaovao 100 000 ha, hojarina hatramin’ny taona 2023. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy hanafarana intsony vary any ivelany ka mifanandrify amin’ity fiaraha-miasa amin’ny LLC Elite ity ny hamokarana vary 350 000 taonina amin’ity taona 2020 ity.

Nomarihiny koa fa maro ny endriky ny fomba hanatanterahana io vina io. Toy ny fananganana ny Faritra fisandratana amin’ny fambolena (ZEA), ny faritra azon’ny mpandraharaha malagasy trandrahina, indrindra ny tanora sy ny mponina eny ifotony. Mikasika ity farany, anisan’ny hajarina ny lemak’i Vondrove, any akaikin’ny lemak’i Bas Mangoky, mirefy 2 100 ha, iarahana amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (Fida). Misy koa ny velaran-tany mirefy 5 000 ha, ho vita amin’ity taona 2020 ity.

Njaka A .

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique