Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Fikaonandoham-pirenena: nanao fakan-kevitra ireo komisiona

Kitra – Fikaonandoham-pirenena: nanao fakan-kevitra ireo komisiona

J-5 amin’ny fanatanterahana ilay fikaonandoham-pirenena amin ny baolina kitra ny rehetra. Efa ao anatin’ny fanomanana izany tanteraka, amin’izao fotoana izao ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), izay tompon-kevitra. Mialoha ny hiatrehana izany, ny talata 28 sy ny alaharobia 29 janoary, ho avy izao, misy ny fidinana ifotony, ataon’ireo komisiona isan-tokony, eo anivon’ny federasiona sy ny mpikambana eo anivon’ny komity mpitantana. Fihaonana mivantana amin’ireo mpiantsehatra manerana ny Nosy no atao amin’izany, hakana ny hevitr’izy ireo, hanatsarana ny baolina kitra sy ny tontolony. Anisan’izany, ny tany Toamasina, ny talata lasa teo. Maro ny zavatra voaresaka tamin’izany, toy ny fotodrafitrasa, eo koa ny amin’ireo mpilalao, ny mpitsara, ireo mpilalao mpandimby sy ny taniketsan’ny baolina kitra, ny mpitsabo ary ny mpanao gazety. Tsy hadinon’ireo mpandray anjara ny niresaka ny amin’ny fidiram-bolan’ny ekipa mba hahafahany ny mivelona sy tsy hanana olana, amin’ny fiatrehana ireo fifaninanana isan-karazany.

Hangonina ireo tolo-kevitra rehetra, ka entina dinihina mandritra ny fikaonandoham-pirenena, ary haravona, hamahana ny olana, izay sakana tsy mampandroso ity taranja ankafizin’ny rehetra, ity.

Ankoatra izay, misy koa ny pejy ao amin’ny tambajotran-tserasera, “Antsika rehetra ny baolina kitra”, hahafahan’ny rehetra mametraka ny hetahetany sy ny tolo-kevitra na fanakianana.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.