Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Antsapaka «Monidal 2022» faritra Afrika: vondrona «J», miaraka amin’RD Kongo, Bénin, Tanzania, ny Barea

Kitra – Antsapaka «Monidal 2022» faritra Afrika: vondrona «J», miaraka amin’RD Kongo, Bénin, Tanzania, ny Barea

Fantatra, taoria’ny antsapaka notanterahina tao Le Caire, renivohitr’i Egypta, omaly alina, ny vondrona sy ireo ekipa iray tarika amin’ny Barea de Madagascar, amin’ny lalao fifanintsanana, hiadiana ny «Mondial 2022», hatao any Quatar, ho an’ny faritra Afrika. Vondrona “J” no misy ny Barea, miaraka amin’ny RD Kongo, Bénin, Tanzania.

Tontosa alina, tao amin’ny efitrano Nil Ritz, tao Le Caire, Egypta ny antsapaka ho an’ireo ekipa 40, hiatrika ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2022”, hatao any Quatar, ho an’ny faritra Afrika. Azo lazaina fa eo ho eo ihany ny sokajy misy ny Barea de Madagascar, izay ao amin’ny vondrona “J”. Tafaraka amin’ny RD Kongo indray mantsy ny Malagasy amin’ity. Raha tsiahivina, resin’ny Barea, teo amin’ny ampahavalon-dalana niadiana ny “Can 2019”, natao tany Egypta, ry zareo Kongoley.

Lavon’ny Malagasy teo amin’ny fandakana “tirs au but”, 4 no ho 1, ry zareo tamin’izay. Hanala vela amin’ny Malagasy izany izy ireo, amin’ity. Ankoatra izay, eo ihany koa i Tanzania, izay mety tsy hahasakana ny lalan’ny Barea. Manan-tombo ara-taratasy mantsy ny Barea ary ambony eo amin’ny filaharana aty Afrika, raha mitaha amin-dry zareo Tanzanianina. Eo koa, i Bénin, ekipa tsy vaovao amin’i Madagasikara.

 

Tompondaka

Ireo fizaram-bondrona ho an’ireo ekipa 40 :

 

Vondrona “A” : Alzeria ; Borkina Faso ; Niger . Djibouti

Vondrona “B”: Tonizia ; Zambia ; Maoritania ; Ginea Ekoatorialy

Vondrona “C” : Nizeria ; Cap-Vert ; Centrafrique ; Liberia

Vondrona «D» :Kameronina ; Côte d’Ivoire ; Mozambika ; Malawi

Vondrona «E» : Mali ; Oganda ; Kenya ; Roanda

Vondrona «F» : Egypta ; Gabon ; Lybia ; Angola

Vondrona «G» : Ghana ; Afrika Atsimo ; Zimbaboe ; Etiopia

Vondrona «H» : Sénégal ; Kongo ; Namibia ; Togo

Vondrona «I» : Maraoka ; Ginea ; Ginea Bisao ; Soudan

Vondrona «J» : R D Kongo ; Benin ; Madagasikara ; Tanzania

 

Fandaharan-dalao ny fifanintsanana

 

Andro voalohany : 9 – 11 oktobra 2020
Andro faharoa : 13 – 15 novambre 2020
Andro fahatelo sy fahefatra : 22 – 30 marsa 2021
Andro fahadimy : 3 – 5 septambre 2021
Andro fahenina : 9 – 11 oktobra 2021

 

*Hiatrika ny lalao sakana, hatao ny  8 – 16 novambra 2021, ireo ekipa voalohany isam-bondrona. Fihaonana, izay atao lalao mandroso sy miverina. Hisolotena an’i Afrika any amin’ny «Mondial  2022» hatao any Quatar, ireo dimy voalohany, aorian’izay dingana izay.

 

 

 

Les commentaires sont fermées.