Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Notazomina vonjimaika eny Antanimora ireo lehilahy miisa roa voasambotry ny polisy etsy 67 ha ny asabotsy teo. Araka ny loharanom-baovao, noho ny resaka fanendahana ny antony nisamborana azy ireo tamin’ny 6 ora sy sasany maraina teny amin’ny arrêt ny taxi-be  Gare routière Maki Andohatapenaka. Tsikaritr’ireo olona teny an-toerana izy roa lahy ireo ka nosamborin’ny polisy avy hatrany. Vokany, finday miisa telo, vola mitentina 18 000 Ar ary clé USB iray no hita teny amin’izy roa lahy taorian’ny fisavana natao azy ireo. Mpanendaka malaza amin’ny asa ratsiny izy ireo raha ny filazan’ny manodidina azy.

 

 

Les commentaires sont fermées.