Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – «Afrique Australe U14 / U16»: nahazo medaly alimo roa ny Malagasy

Tenisy – «Afrique Australe U14 / U16»: nahazo medaly alimo roa ny Malagasy

Nifarana, ny alahady lasa teo, tany Windhoek, Namibia, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika isan-tarika, ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimo na ny “Afrique Australe”, taranja tenisy. Fihaonana natokana ho an’ny sokajy zandriny U14 sy U16. Tsy niveri-maina ny ekipa malagasy fa nitondra medaly nody tamin’ity fifaninanana ity. Medaly alimo roa, azon’ny sokajy U14 lahy sy vavy.

Raha tsiahivina, teo amin’ny lehilahy, nandresy an’i Mozambika, tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Malagasy, teo amin’ny fiadiana ny laharana fahatelo. Samy nivoaka ho mpandresy avokoa i Tefy Ranja sy i Mahefa, teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana. I Tefy Ranja, nanilika an’i Luca Fegueiredo, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 ; 6/2), ary i Mahefa, nandavo an’i Edilson Rosa, tamin’ny seta 2 ihany koa (6/1 ; 6/2).

Marihina fa resin’i Afrika Atsimo teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa 2 no ho 0, ny tovolahy.

Ho an’ny vehivavy indray izay nifaninana tao anaty vondrona tokana, nitana ny laharana fahatelo ny Malagasy. Raha tsiahivina, samy lavon’i Zimbaboe sy i Afrika Atsimo, tamin’ny isa 3 no ho 0.

Dingana manaraka ho an’ny sokajy U14 ny fifaninanana ho an’ny “grade 1”, hatao eto Madagasikara, ny 19 – 22 marsa ho avy izao. Mialoha io ny an’ny “grade 2”, ny 22 – 28 febroary ho avy izao.

 

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.