Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Songadina an-tsary

Songadina an-tsary

Miara-miisalahy mihitsy ny polisy sy ny zandary mampianatra ny mpandeha an-tongotra sy ny mpitondra fiara hanara-dalàna. Mila fitaizana matetika ny mpampiasa lalana rehetra…

Rehefa tsy mijanona eny amin’ny lalana ny sarety dia eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra indray. Eny amin’ny manodidina an’Ambalavao Isotry no ahitana izany.

Ahitana kazarana zavatra maro matetika ny solon’ny famandrihana “parking” ho an’ireo mpampiasa izany.

Tsy ny mpandeha an-tongotra ihany no sahirana fa voabahan’ireo mpivarotra koa ireo fiara na moto miantsona.

Mbola misy toerana malalaka ao anatin’ny toeram-pivarotana Petite Vitesse nefa mifanosika eny amin’ny arabe avokoa ireo mpivarotra.

Tsy fiampitana arabe ihany no ampianarina ny mpandeha fa atoro azy ireo koa ny lalana tokony haleha koa.

Haharitra ny fandaminana, hoy ireo polisy fa tsy mandalo ihany. Ny irariana dia ny fanarahan’ny rehetra ny toromarika rehetra.

Sary: Tiana R, Mamiherison ary Fanou

Les commentaires sont fermées.