Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Antsapaka ny «Mondial 2022»: ho fantatra anio ny hiray vondrona amin’ny Barea

Kitra – Antsapaka ny «Mondial 2022»: ho fantatra anio ny hiray vondrona amin’ny Barea

Hitodika atsy Le Caire avokoa ny sain’ny besinimaro, amin’ity talata ity, indrindra fa ho an’ireo mpankafy baolina kitra. Hotanterahina amin’ity anio ity mantsy ny antsapaka ho an’ireo firenena hiatrika ny fifanintsanana ny “Mondial 2022”, ho an’ny faritr’i Afrika.

Hatao atsy Le Caire, Renivohitr’i Egypta, amin’ity talata 21 janoary ity, ny antsapaka ho an’ireo firenena 40 hiatrika ny fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra, ho an’ny faritr’i Afrika. Anisan’ny voakasik’izany ny Barea de Madagascar. Ho fantatra eo izany izay vondrona hisy ny ekipam-pirenena malagasy sy ireo mpifanandrina aminy.

Raha tsiahivina, ao anaty satroka fahatelo ny Barea de Madagascar, iarahana amin’i Maoritania, i Lybia, i Mozambika, i Kenya, i Zimbaboe, i Niger, ny Repoblika Centrafrique, i Namibia ary i Ginea Bisao.

Mandra-piandry izany, fantatra fa betsaka ireo mpilalao malagasy mipetraka any ivelany, indrindra ny ao Frantsa, efa nanambara ny fahavononany hanatevina ny Barea de Madagascar. Hiankina amin’i Nicolas Dupuis ny fanapahan-kevitra ny amin’izany. Ny tenany izay efa nanambara fa tsy maintsy hiantso mpilalao hafa izy, hanampy ny Barea. Amin’izao fotoana izao, any ivelany ny tenany, mijery sy mitily ireo mpilalao mety hantsoina.

Tompondaka

Ireo fizaran-tsatroka ho an’ireo firenena 40

-Satroka 1 : Alzeria, Sénégal, Tonizia, Maraoka, Ghana, Egypta, Kameronina, Mali, RD Kongo

-Satroka 2 : Borkina-Faso, Afrika Atsimo, Ginea, Oganda, Cap-Vert, Gabon, Benin, Zambia, Kongo, Côte d’Ivoire

-Satroka 3 : Madagasikara, Maoritania, Libye, Mozambika, Kenya, Zimbaboe, Niger, Centrafrique, Namibia, Ginea Bisao

-Satroka 4 : Malawi, Angola, Togo, Sodan, Roanda, Tanzania, Ginea Ekoatorialy, Etiopia, Liberia, Djibouti

 

 

Les commentaires sont fermées.