Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kianjaben’i Mahamasina: nanomboka ny fandrodanana

Kianjaben’i Mahamasina: nanomboka ny fandrodanana

Ny zoma lasa teo, nakatona amin’ny fomba ofisialy ny kianjaben’i Mahamasina. Tsy azo idirana sy ampiasaina intsony ny ao anatiny. Nanomboka omaly alatsinainy kosa ny fandrodanana ireo «tribune laterale» roa, havia sy havanana, asiam-panovana tanteraka. Marihina fa ezahina hovitaina mialoha ny 26 jona izany hahafahana mandray ny fetim-pirenena. Avela amin’izao kosa ny “tribune centrale”, saingy asiana rihana fotsiny.

Aorian’izay vao hiditra amin’ny fanamboarana ny “gradin”. Asiana seza hipetrahan’ny mpijery eny ary hampiana izany fa tsy ajanona amin’ny isany amin’izao fotoana izao io. Hatao sarina ravinala kosa ny fefy manodidina ny kianja. Hampitomboina ihany koa ny isan’ny vavahady fidirana ao anaty kianja. Hisy ireo trano isan-karazany, toy ny fisoloana akanjo, ny birao fiasan’ny federasiona, ny trano fivarotrana, ny efitrano fanabokonana hozatra. Hovolena jiro ihany koa manodidina ny kianja ka ho afaka handray lalao amin’ny alina ny kianja. Haharitra 18 volana ny asa fanamboarana ary hitentina 77 tapitrisa dolara ny tentimbidin’ny asa fanarenana sy ny fanamboarana. Kianja Barea de Madagascar ny anarana homena azy, rehefa vita fa tsy kianjaben’i Mahamasina intsony.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.