Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanajariana ny Bas Mangoky: tsy ampanofaina amin’ny Arabo ny tany

Fanajariana ny Bas Mangoky: tsy ampanofaina amin’ny Arabo ny tany

Manazava ny fanjakana fa “tsy mivarotra sady tsy mampanofa ny tany amin’ilay orinasa arabo, Elite agro LLC, ny fanjakana malagasy”, hanajariana lemaka mirefy 60 000 ha any Bas Mangoky, faritra Ihorombe.

Mangarahara! Mampahafantatra ny zava-drehetra aty am-piandohana ny fanjakana, mikasika ny fifanarahany amin’ilay orinasa avy any Abu Dhabi, Emirats Arabo mitambatra. Firaiketana ny fiaraha-miombona antoka ny natao fa tsy mbola fifanarahana feno. Mandritra ny herintaona ny faharetan’io fifanarahana natao sonia io ka rehefa mahafa-po sy mifanaraka amin’ny fepetra napetraka rehetra vao miditra amin’ny fifanarahana tena izy. Anisan’ny fepetra voafaritra ao fa tsy amidy (tsy misy fifampivarotana), tsy ampanofaina (tsy bail emphytéotique) ny tany fa ampidirina ho anisan’ny anjara birikin’ny fanjakana malagasy, amin’ny maha fiaraha-miombona antoka azy. Voafaritra koa fa vidin’ny fanjakana malagasy amin’ny orinasa Elite agro LLC ny vokatra miakatra fa tsy aondrana any ivelany. Tompony feno ny fanjakana, hanapaka ny tsena andefasana azy avy eo.

Fahavitantena sakafo

Marihina fa samy hafa ny tamin’ny orinasa Daweoo, tamin’ny taona 2008, izany satria aondrana any ivelany ny katsaka saika nambolen’ity orinasa koreanina ity tamin’izany fotoana izany. Anisan’ny vokatra andrasana amin’ity orinasa arabo ity ny hanatrarana ny voka-bary 350 000 taonina ao anatin’ny herintaona. Mijanona tsy mitohy avy hatrany ny fifanarahana raha vao tsy tratran’ilay orinasa io tanjona ao anatin’ny herintaona io, na inona na inona ny antony.

Tsiahivina fa ho tratra avy hatrany ny fahavitantena sakafo, indrindra amin’ny vary, raha tratra io 350 000 taonina ao anatin’ny herintaona io. Misy koa ny vokatra hafa hambolena, toy ny katsaka (200 000 t), ny varimbazaha (150 000 t) ary hiakatra 240 000 t any aoriana, ny soja (300 000 t), ny voanjo (30 000 t), kabaro (20 000 t), sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.