Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy antonona intsony

Taranja anisan’ny miroborobo sy be mpankafy eto Madagasikara ihany koa ny baolina lavalava, na tsy mbola mahahenika ny faritra 22 aza. Manaporofo izany ny habetsahan’ny mpijery tonga nanatrika ny lalao manasa-dalana, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly alahady.

Tsy antonona ny mpankafy intsony io fotodrafitrasa natokana ho an’ny baolina lavalava io, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Tapitra mialoha ny tapakila ary efa feno tanteraka ny toerana nefa mbola maro ireo mpijery tsy tafiditra, tao ivelan’ny kianja. Voatery nakatona ny vavahady noho izay antony izay.

Miantso ny filoham-pirenena nanome io toerana io ho an’ny rugby indray ny ambalambahoaka mba hanitatra izany, sy hanamboatra azy toy ny hanamboarana  ny kianjaben’i Mahamasina. Maniry mafy ny mpankafy sy ny mpilalao mba hanana fotodrafitrasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ny baolina lavalava izay efa nitondra avo ny lazan’i Madagasikara ihany koa ary mbola manandratra avo izany amin’izao fotoana izao. Mino sy manantena izy ireo fa hanampy sy hanome tanàna an’ambalambahoaka ny fitondrana.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.