Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

AVG: nitohy tany Andasibe ny fambolen-kazo

AVG: nitohy tany Andasibe ny fambolen-kazo

Mitohy ny fankalazana ny fahafolo taon’ny Alliance voahary gasy (AVG), nosantarina ny desambra 2019 teo. Efa nisy ny fambolen-kazo natao teny amin’ny Saf FJKM Soavina Ambanintsena, ary nitohy koa ny hetsika, omaly 17 janoary tany Andasibe Moramanga, notarihin’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny AVG, Razakamanarina Ndranto. Miisa 500 ny zana-kazo nambolena, ka maherin’ny 50 ny nandray anjara nahitana ny mpikambana AVG any amin’ny faritra, toy ny Saf FJKM, ny fikambanana Mitsinjo, ny Anae, ny Gerp, ny Asity, ny Acce, ary ny vondrona olona ifotony sy ny manam-pahefana tany an-toerana. Nanolotra ny zana-kazo ny Tetikasa Ambatovy, amin’ny maha Orinasa tompon’andraikitra eto amin’ny firenena (RSE) azy.

Maro ny hetsika hataon’ny AVG amin’ity taona 2020 ity hanamarihana ny fahafolo taona nijoroany. Ny tanjona, mankalaza sady mampiseho ny fahavononana feno ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny asa mivaingana ataon’ny mpikambana. Lohahevitra ny hoe “mankalaza, manabe, mihetsika”.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.