Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Lehilahy iray no hita  faty teny akaikin’ny Jirama Ambohimanambola, ny alarobia hariva teo. Tsikaritra tamin’izany fa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy ka tsy nisy nahalalana azy intsony.

Mpangalatra iray ihany koa no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka teny Ambohibao Antehiroka, ny alarobia maraina teo taorian’ny fisamboran’ny fokonolona azy. Rehefa avy voadaroka, noentin’ireo olona teny amin’ny polisy eny an-toerana ralehilahy.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Ambodiafontsy Ampitatafika, omaly tolakandro, nivadika tamin’izany ny fiara iray tsy mataho-dalana. Tsy nisy ny aina nafoy nandritra ny loza.

 

 

Les commentaires sont fermées.