Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – Afrika U14: nanilika an’i Namibia ny ekipa malagasy zazalahy

Tenisy – Afrika U14: nanilika an’i Namibia ny ekipa malagasy zazalahy

Tsara ny vokatra azon’ny ekipa malagasy, omaly, ho an’ny sokajy zazalahy, ao anatin’ilay fiadiana ny tompondakan’i Afrika Aostraly U14, tanterahina any Namibia. Nailiky ny Malagasy tamin’ny seta 3 no ho 0 ny ekipan’i Namibia.

Mitohy hatrany ny fifaninanana andraisan’i Madagasikara anjara any Namibia, ho an’ny taranja tenisy. Nahazo vokatra tsara ny sokajy zazalahy ho antsika, teo amin’ny fifaninanana isam-bondrona ary efa tafakatra sahady eo amin’ny manasa-dalana. Seta 3 no ho 0 (6/1 6/3-6/1 6/0-6/2 6/1) no nandavoan-dry Tefy Ranja sy ry Tody Avo ary Mahefa, ny ekipan’i Namibia mpampiantrano, omaly, tao Windhoek Namibia. Ankoatra ny nahazoan’izy ireo ny tapakila ho amin’ny manasa-dalana, hiady ny toerana voalohany ao anatin’ny vondrona A ihany koa ireto solontenantsika lehilahy ireto anio, ka ny ekipan’i Zimbaboe no hifanehatra amintsika mandritra izany. Etsy ankilany, ry zareo Afrika Atsimo sy i Botsoana kosa no hiady izay toerana voalohany izay, ao amin’ny vondrona B.

Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, tsy nahomby ny ekipa malagasy, omaly, satria resin’i Afrika Atsimo tamin’ny seta 3 no ho 0 (1/6 0/6-2/6 1/6-6/4 5/7 5/10), ry Harena sy i Miotisoa ary i Ravaka, teo amin’ny fifaninanana isam-bondrona hatrany. Mbola hiatrika ny ekipan’i Botsoana anefa izy ireo ho amin’ny anio ary vonona ny hitady fandresena.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.