Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Songadina an-tsary 

Songadina an-tsary 

Notontosaina omaly tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny ben’ny Tanàna vaovao Andriantsitohaina Naina sy Ravalomanana Lalao. Ny maraina no nanaovana sonia ny antontan-taratasy, ny tolakandro kosa ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny ben’ny Tanàna vaovao. Ny minisitry ny Atitany no nametraka ny samboady notronin’ny lehiben’ny distrika. Maro ihany koa ireo olom-panjakana sy ireo manampahefana nanatrika, anisan’izany ireo masoivoho miasa sy monina eto Madagasikara. Mipetraka ho tantara eto anivon’ny firenena, nanomboka omaly, ny anaran’Andriantsoitohaina Naina, nitantana ny tanànan’Antananarivo fah-19 ary faha-10 amin’ireo ben’ny Tanàna voafidim-bahoaka.

Les commentaires sont fermées.