Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Olan’ny mpampianatra: manaitra ny praiminisitra ny Seces

Olan’ny mpampianatra: manaitra ny praiminisitra ny Seces

Miandry ny vahaolana izay nampanantenain’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra hahafahana miroso amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara.

Nisy ny fampanantenana nataon’ny praiminisitra ny amin’ny fampihaonana ny solontenan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony miaraka amin’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka ary ny minisiteran’ny Tetibola mba hahafahana manohy ny fifampidinihana amin’ny fo tony sy saina milamina hahafahana mampihatra ireo fifanarahana voasonia miisa fito. Lehibe indrindra amin’ireo ny mikasika ny tetiandro fandoavana ireo trosan’ny mpampianatra mpikaroka naterak’ireo didim-panjakana telo tamin’ny taona 2009.

Manantena ny hisian’io fihaonana io eo  ambany fanaraha-mason’ny fiadidiana ny primatiora  ny Seces mba ho fampanajana ny tany tan-dalàna  sy ny zon’izy ireo.

Tapitra ny alarobia teo moa ny fe-potoana farany nomen’ny Seces ny tompon’andraikitra mba hamahana ny olany kanefa hatramin’izao, tsy misy namaly izany fa toy ny antso an’efitra ihany ny an’ireto mpampianatra mpikaroka ireto. Mitohy ny tolona ary mikatso hatrany ny fampianarana.

Nivory ihany koa ny mpampianatra mpikaroka ao Toamasina, omaly, nambaran’izy ireo fa mitohy ary mihamafy ny tolona. Mampahafantatra ny mpitondra fanjakana, ray aman-drenin’ny mpianatra ary ny mpianatra izy  ireo fa miato tanteraka mandritra ny fotoana tsy voafetra ny asa fampianarana sy ny fanadinana eo anivon’ny oniversite any Toamasina.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.