Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Morafenobe: lasan’ny dahalo ny omby 450 isa

Mirongatra ny halatr’omby. Lasan’ny andian-dahalo miisa 40 eo ho eo nandritra ny fanafihany ny omby 450 hamidy any Tsiroanomandidy. Andian’olona nitondra omby miisa 788 niaraka tamin’ny miaramila avy any Belitsaky hivarotra omby ao Tsiroanomandidy no nosakanan’ny dahalo rehefa tonga teo Beravina, omaly maraina. Raikitra ny fifandonana teo amin’ireo dahalo sy ny mpitandro filaminana teo an-toerana niaraka tamin’ireo mponina. Nanara-dia hatrany anefa ireo fokonolona tamin’izany ka naratra taorian’izay ny olona miisa telo ary dahalo miisa enina kosa no maty nandritra izany. Ireo dahalo manodidina ny 34 kosa mbola tsy hita niaraka tamin’ireo omby lasany raha tsy azon’ireo dahalo kosa ny 338 tamin’ireo omby, araka ny loharanom-baovao iray.

Ankoatra izay, nitrangana fanafihan-dahalo ihany koa tao Ebelo, Amboasary Atsimo. Fantatra tamin’izany fa zaza iray natao takalonaina. Nitaky 3 tapitrisa Ar ireo tsy mataho-tody amin’izany. Voalaza fa  nifandona ny dahalo sy ireo tompon’omby ary ny mpanara-dia. Naratra voatifitra ny olona enina tamin’ireo mpanara-dia sy ny tompon’omby. Voa mafy ihany koa ny iray izay niantefan’ny bala teo ambanin’ny fony. Maty nandritra ny fifanjevona kosa ny dahalo iray raha voasambotra velona ny iray hafa. Ireo naratra kosa tsaboina amin’ny hopitaliben’Ambovombe-Androy.

 

H.H

Les commentaires sont fermées.