Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manome 72 ora: hihetsika ny mpianatra eny Ankatso

Manoloana ny tsy mbola fiverenan’ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo, nanao fanambarana ny fikambanan’ny mpianatra, omaly teny Ankatso. Manome 72 ora, nanomboka omaly ary hifarana ny alatsinainy izao ho an’ny mpitantana ny firenena izy ireo hamahana ny olan’ny mpampianatra. Mitarazoka loatra ny olana satria efa am-bolana maromaro no niato ny asan’ny mpampianatra mpikaroka ka manahy ny taona fotsy izy ireo. Rehefa tapitra ny fe-potoana nomena ka tsy misy valiny avy amin’ny tompon’andraikitra, hanao hetsika mifanandrify amin’izay ny mpianatra.

Raha resaka tombontsoa ny olan’ny mpampianatra, tokony hijery ny tombontsoan’ny mpianatra koa izy ireo fa tsy hiziriziry hanidy ny vavahady sy hampiato ny fampianarana. Nanao antso ho an’ny mpanabe izay raiamandreny koa ireo mpianatra. Tsy vitsy ny mpianatra avy any ambanivohitra mipetraka sy mianatra eto an-dRenivohitra no lany andro sy lany vatsy fotsiny noho ny fitokonan’ny mpampianatra.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.