Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ho hentitra ny Ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina: “Aoka hifanaja sy hanara-dalàna ary hahatsapa tena isika”

Ho hentitra ny Ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina: “Aoka hifanaja sy hanara-dalàna ary hahatsapa tena isika”

Nosalorana ny samboady maha ben’ny Tanàna azy Andriantsitohaina Naina, tetsy amin’ny lapan’ny  Tanàna Analakely, omaly. Naverimberiny tamin’ny lahateniny ny fanarahan-dalàna  sy  ny fandraisana andraikitra  ary ny fifanajana. Mazava ny hafatrafatra amin’ny  hitantanany an’Antananarivo Renivohitra.

Nilatsaka avy hatrany ny fepetra maromaro. “Tsy  hiandry ela isika fa hiasa avy hatrany. Fepetra vonjimaika horaisina : Hanorina tsena  vaovao isika. Tsy hisy aloha ny  fandroahana ny mpivarotra amoron-dalana, saingy tsy azo andeferana  intsony  ny tsy fanarahan-dalàna  rehefa misy ny  toerana. Ho antsika mpivezivezy  eto an-tanàna : fiara, sarety,  olona…  Aoka hanaja  lalàna sy hifanaja isika. Hampiakarina ny sazy  ho an’ireo mihoa-pefy…” hoy izy. Nanteriny fa hamboarina  ny lalana ary hanara-maso ny fifamoivoizana ny polisy monisipaly.  “Hisy lamina manokana  amin’izany…”, hoy ihany izy. Momba ny fahadiovana sy ny  fanadiovana, notsiahiviny fa efa  eo ireo kamiao sy dabam-pako.

Harodana  ireo trano tsy ara-dalàna…

Horaisina ny andraikitra amin’ny fampitomboana isa ireo mpanadio. Eo  koa  ny famerenana  ho eo an-tanan’ny Cua  ny Samva. Ny fanajana ny ora fanariana fako.  “Samy tompon’andraikitra  isika,  manomboka amin’ny  fanadiovana  ny ao an-tokantrano izany. Harodana ireo trano niorina tsy ara-dalàna eny ambony lakandrano, nampijaly ny maro anisa amin’ny fiakaran’ny  rano… Horaisina ny fepetra amin’ny fanotofana  tany”, hoy izy.

Niaiky anefa ny  tenany fa tsy  ho vitany  samirery  izany. Nanaovany antso  avo  ireo mpandraharaha namany ka nilazany fa  mila azy ireny  ny kaominina satria tonga  ny fotoana hamaliana soa ity tanàna iombonana  ity.  “Hiara-miombona antoka ho amin’ny fampandrosoana isika ka hiara-kiasa ao anaty fanarahan-dalàna”,  hoy izy.

Nitodika amin’ireo mpiasan’ny kaominina ny ben’ny Tanàna, taorian’izany.

Mandray karama  nefa tsy miasa

Nanafatrafatra ny mba ho  mendrika sy ho fitaratra. Nanteriny fa haverina amin’ny hasiny izy  ireo ka ho mendrika izany maha mpiasan’ny Cua azy izany. “Misy  olona mandray karama ato nefa tsy miasa. Omena 10 andro hametrahana fialana fa raha tsy izany,  ho avy ny sazy…  Averiko  hatrany fa madio isika miditra eto. Madio  isika  mivoaka eto ”, hoy izy.

Namehezany ireo rehetra ireo ny filazany fa  tsy fotoan’ny andrankandrana intsony izao ary mitaky vokatra haingana mipaka any aminy ny vahoaka.

Hanova ny tantara manomboka izao

Nanentana  ny rehetra hiaraka aminy hanova ny  tantara sy  hamerina  ny hasin’Antananarivo. Nialoha izany ny nisaorany ireo rehetra,  indrindra fa ny vahoakan’Antananarivo.  “Ankasitrahana ianareo nifidy ahy na tsia… Fotoana iombonana  izao. Isaorana ianareo mpanao politika nampandefitra ny  hambom-po”, hoy izy.  Tazana teny an-toerana rahateo ireo fikambanana sy antoko politika sasany ary anisan’izany ireo depiote Tim teo aloha. Nohitsiny fa tsy manam-pahavalo afa-tsy  ny fako, ny fihotsahan’ny tany, ny tanàna maizina, ny tsy fandriampahalemana, ny fitohanan’ny fifamoivoizana ary ny fahantrana  sy  ny tsy fanarahan-dalàna ny tenany.

Synèse R.   

 

Hisy fanadihadiana ny fitantanana

Efa vita ny maraina ny famindram-pahefana  sy fitantanana teo amin’ny ben’ny Tanàna vaovao,  Andriantsitohaina Naina sy ny teo aloha, Ravalomanana Lalao. “Nilamina izany  ary nifampitso-drano izahay… Tokony hatao sy efa fanao ny fanadihadiana ny fitantanan’ny teo aloha fa tsy hoe amin’ny fiovana  fitondrana  fotsiny ihany. Manampy ny mpitantana vaovao izany… Laharam-pahamehana avokoa ny  rehetra. Hiasa avy hatrany izahay  ka eo am-panomanana  ny fivoriana maika ho an’ny filankevitra, amin’ny herinandro, hanomanana ny  asan’ny kaominina”, hoy ny mpitantana  vaovao, Andriantsitohaina Naina.

 

Les commentaires sont fermées.