Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fondation BOA: nohavaozina ny EPP Andoharanofotsy

Fondation BOA: nohavaozina ny EPP Andoharanofotsy

Vita ny ny fanavaozana tanteraka ny EPP Andoharanofotsy ka notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly ny fandraisana ny asa. Nanohana ara-bola ny asa rehetra ny fondation BOA. Nasiam-panamboarana ny efitrano fianarana enina sy ny tafon-trano izay efa tranainy. « Mpianatra maherin’ny 900 no hisitraka ny fotodrafitrasa vaovao. Ankoatra ny fanavaozana ny trano, hotolorana fanomezana ny mpianatra telo voalohany mahazo naoty tsara mandritra ity taom-pianarana ity », hoy ny filohan’ny Fondation Boa Madagascar, i Sidika Akbaraly, nandritra ny fandraisany fitenenana. Nanentana ihany koa izy ny tokony hanajan’ny mpianatra izao efitrano sekoly vita tsara izao. Mbola hitohy any Mampikony sy Mananjary ny asa fanavaozana tranon-tsekoly fa tsy hijanona eto Antananarivo fotsiny. Nanotrona ny  fitokanana omaly ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika, i Voalahaingo Marie Thérèse.

Efa nanome fitaovam-pianarana miisa 25 000 ho an’ny mpianatra koa ny Fondation BOA. Teo koa ny fananganana akany sy ny fambolen-kazo ary ny fitiliana homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ho an’ny vehivavy 550. Amin’ity taona vaovao ity, hapetraka ny toeram-panaovana vaksiny izay iarahana amin’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tetikasa iray vaovao ny fametrahana toeram-pialamboly eo amin’ny BOA Antaninarenina.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.