Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohinamboarina: dahalo roa voatifitra, Kalachnikov iray azon’ny zandary

Ambohinamboarina: dahalo roa voatifitra, Kalachnikov iray azon’ny zandary

Tafaporitsaka ihany ireo dahalo roa voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambohinamboarina, afakomaly. Basy Kalachnikov iray azon’ny zandary…

Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary no nifanehatra tamin’ireo andian-dahalo mpangalatra omby izy ireo, tamin’io fotoana io. Nony tonga teo amin’ny toerana antsoina hoe Fanindrona ireo zandary no nahatsikaritra ireo dahalo izay nitifitra avy hatrany ka raikitra teo ny fifanjevoana. Vokany, dahalo roa voatifitra, saingy tafaporitsaka niaraka tamin’ireo namany. Basy Kalachnikov iray kosa azon’ny zandary taorian’ny fifanjevoana. Efa any am-pelatanan’ny zandary ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Mandeha ny famotorana momba ny toerana niaviany. Nohamafisin’ny kaomandin’ny borigadin’Isandra, ny GPHC Barison Albert fa fanindroany amin’ny basy Kalachnikov tratra ity azon’izy ireo ity. Ny voalohany, nandritra ny fanadihadiana lalina nataon’izy ireo momba ny raharaha vonoan’olona tao amin’ny kaominina Andremalama Isandra. Ny faharoa kosa, ity tratra tany am-pelatanan’ny dahalo ity. Teo ihany koa ny fisiana basy fahatelo, basy vita gasy mitovy tsy misy valaka amin’ireny basy Mas 36 ireny. Dahalo roa lahy no nahatrarana ilay fitaovam-piadiana ary efa nidoboka am-ponja taorian’ny famotorana nataon’ny zandary. Nilaza ity manamboninahitra ity fa efa tany amin’ny kaominina ambanivohitr’i Vohitrarivo Ambohimahasoa vao tratra ity basy ity. Ny volana jona 2019 no nanomboka nandray ny fibaikoana teo anivon’ny borigady ity manamboninahitra ity ka izao efa nahazo basy telo tany am-pelatanan’ny dahalo izao sahady.

J.C

Les commentaires sont fermées.