Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toetr’andro: ahina ny fiforonan’ny rivodoza

Toetr’andro: ahina ny fiforonan’ny rivodoza

Mamaritra ny toetry ny andro eto Madagasikara ny tsioka avy avaratra na avaratra andrefana ary arahina fandalovana andian-drahona izany amin’ny faritra Atsimo amin’ny fiafaran’ny herinandro. Io no nambaran’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby.

Hahazo vahana, araka izany, ny oram-baratra arahina tafiotra ny tolakandro, ny hariva ary ny alina manerana ny Nosy ary amin’ny vao maraina ho an’ireo morontsiraka andrefana. Hatevina kokoa izany any amin’ny tapany Atsimo, amin’ny faran’ny herinandro.

Tsy hisy aloha ny tranga mahery vaika ahina hiseho. Ireo oram-baratra no mety arahina tafio-drivotra amin’ny ankapobeny.

Etsy andaniny, mety hisy ny fiforonan’ny rivodoza ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, amin’ny faran’ny herinandro ary arahi-maso akaiky ny fivoaran’izany amin’ny tapany faharoa, amin’ity herinandro ity.

Na izany aza, mety hisy fiovana ihany ity tombana ity raha tanteraka tokoa ilay fiforonana andro ratsy izay heverina hiseho ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika amin’ny faran’ny herinanandro.

Hahitana fidinana ny maripana ambony sy ambany amin’ny faritra Atsimo satria manodidina ny 16°C ka hatramin’ny 25°C ny ambany. Ny maripana ambony kosa eo anelanelan’ny 25°C  ka hatramin’ny  35°C.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.