Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

Pancrace : Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny komity mpitantana ny CMPS (Commission Malagasy de Pancrace et Submission), hihemotra ny 2 febroary izao  ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara « Pancrace Combat », izay nokasaina hatao ny 26 janoary ho avy izao noho ny antony tsy miankina amin’ny mpikarakara. Tsy miova fa ao amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ihany ny hanatanterahana ity fifaninanana ity. Manentana ny klioba rehetra manerana an’i Madagasikara, araka izany, ny mpikarakara mba handray anjara mavitrika amin’ny fifaninanam-pirenena ho avy io ary hanatanteraka ny « affiliation » sy ny « licence », ho an’izay tsy mbola nahavita izany.

Volley Analamanga : Hanatanteraka fivoriambe, ny asabotsy 18 janoary ho avy izao ny eo anivon’ny ligim-paritra Analamanga, taranja volleyball. Araka ny fandaharam-potoana, tatitra nandritra ny taom-pilalaovana 2020 no hatao amin’io fotoana io, hisy ihany koa ny fampahafantarana ny fandaharan’asa sy ny programan’ny klioba tsirairay ho amin’ity taona 2020 ity. Hahazo anjara fitenenana avokoa izay tonga manatrika ity fivoriambe ity,  izay hatao eny amin’ny LTC Ampefiloha, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Tsiahivina, mitohy hatrany ny fifaninanana ho an’ity ligin’Analamanga ity, isan-kerinandro etsy Mahamasina.

 

 

Les commentaires sont fermées.