Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Soavinandriana: hiakatra fampanoavana, anio, ilay zandary nitifitra olona

Rahampitso farafahatarany no hiakatra fampanoavana ilay zandary nitifitra, nahafaty olona miisa telo tao Dondona Soavinandriana, ny herinandro lasa teo, raha ny loharanom-baovao iray any an-toerana. Araka ny fantatra, eto an-drenivohitra no hanaovana fanadihadiana an’io zandary io ka atolotra ny Fitsarana avy hatrany ny tenany vao vita izany. Raha tsiahivina, savorovoro niainga tamin’ny fifamaliany tamina mpivarotra trondro tao Dondona no nahatonga ny disadisa ka nahatifirana olona miisa roa izay namoy ny ainy teo no ho eo, raha ny alin’iny fotoana iny kosa ny fanintelony no namoy ny ainy noho ny voina nahazo azy. Fantatra tamin’izany fa olona miisa efatra no naratra nandritra ny fidiran’izy ireo amboletra tao an-tranon’ilay zandary rehefa tsy nahita azy tany amin’ny “poste fixe” an’ny zandary.

 

H.H

Les commentaires sont fermées.