Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpiasan-tsambo nilatsaka an-drano: ora 4 taorian’ny loza no hita ny vata-mangatsiakany

Lehilahy iray, miasa amina orinasa fanamboaran-tsambo atao hoe “Stars Chips” ao Mahajanaga no namoy ny ainy, omaly maraina raha nilatsaka avy eny ambony sambo sahabo tamin’ny 7 ora sy sasany. Raha ny fanazavana voaray, ora 4 taorian’ny nilatsahany tao anaty rano no hitan’ireo mpamonjy voina sy ny zandary ao an-toerana ny vata-mangatsiakan-dralehilahy. Loharanom-baovao hafa kosa no namantarana fa nipetraka teny amin’ny sisin-tsambo izy talohan’io ka nilatsaka avy hatrany tao anaty rano, izay nitarika ny fahasemporany ka namoizany aina. Tsy ela taorian’izay anefa no nampandre ny zandary ny “chef de chantier” an’ilay orinasa ka natomboka avy hatrany ny fikarohana azy.

 

H.H

Les commentaires sont fermées.