Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahamasina: miala koa ny mpivarotra amoron-dalana

Mahamasina: miala koa ny mpivarotra amoron-dalana

 Taorian’ny hetsika nataon’ny polisin’ny kaomiasarian’ny Boriborintany voalohany (CSP1) Analakely teny Tsaralalàna, ny alatsinainy teo, nanentana ny mpivarotra amoron-dalana koa ny CSP5 Mahamasina, omaly alarobia. Nobeazina, nampahafantarina azy ireo fa natao andehanan’ny fiarakodia ny arabe, ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisin-dalana ary any anaty tsena ny mpivarotra. Nolazaina izy ireo, hanatona ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), hanondro ny toerana azo ivarotana, fa tsy azo atao intsony ny mameno ny sisin’ny arabe. Tsy maintsy hoesorin’ny polisy avokoa ny mpivarotra amoron-dalana tsy manara-dalàna rehetra, manomboka amin’ny herinandro ambony io eny Mahamasina sy ny manodidina. Marihina fa manontrona ny polisy manatanteraka ity hetsika ity ny mpitandro filaminana hafa, toy ny zandary sy ny miaramila.

Tanjona amin’izao fanadiovana an’Antananarivo izao ny hampihenana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra, vokatry ny famenoan’ny mpivarotra ny sisin-dalana, ary maro mihitsy aza ny midina hatreny amin’ny arabe. Eo koa ny fanajana ny lalàna tsy maintsy arahin’ny olom-pirenena tsy ankanavaka mba hanafoanana ny gaboraraka nanjaka hatramin’izay.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.