Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lakandranon’i Pangalana sy Port Fluvial: velon-taraina ny vahoaka sy ny mpanjifa

Lakandranon’i Pangalana sy Port Fluvial: velon-taraina ny vahoaka sy ny mpanjifa

 Velona ahiahy tanteraka ny mpampiasa ny Lakandranon’i Pangalana, fa tsy araka ny nantenaina tany aloha. Voakasik’izany ny lafiny fandriampahalemana, ny fizahantany ary ny fari-piainan’ny mponina miaina sy mivelona aminy.

Tsy azo antoka intsony ! Araka ny fitantaran’ny mponina manamorona ny Lakandranon’i Pangalana, saika lasa fieren-jiolahy ny atiala sy ny manamorona ny lakandrano, ankehitriny. Manamora ny fandosiran’ny olon-dratsy any anaty rano, noho ny hamaroan’ny karazam-pitaterana tsy ara-dalàna amin’ity lakandrano ity. Manaporofo izany ny toerana fanorenan-tsambo tsy fantatra mazava ao anatin’ny ala antsoina hoe Tapakala. Tsy nahazoana fanazavana mazava ny tompon’andraikitry ny Port Fluvial mikasika ity fanorenan-tsambo ity, izay adiny roa vao tongan’ny sambo haingam-pandeha.

 

Tsy misy tapakila

Velo-taraina koa ny tantsaha mikasika ny fitantanam-bola ao amin’ny seranan-tsambo Port Fluvial. Hakana vola avokoa ny entana rehetra tonga eo amin’ity seranana ity. 200 Ar ny hazo kely, 300 Ar ny vaventy, 1.000 Ar ny saribao iray kitapo. Mandoa 500 Ar isanisany ny tuc tuc sy posy haka entana ao anatiny. Tsy manome tapakilam-bola anefa ireo vola aloan’ny mpanjifa ireo, izay tokony hiditra any anaty kitapom-bolam- panjakana.

Toraka izany koa ny antsojay ataon’ireo mpitantana ity seranan-tsambo ity ny mpampiasa lakana sy ireo mpizahatany vahiny sy Malagasy. Nampiakarina ho 10.000 Ar ny vola alaina (visite de partenance) raha 5.000 Ar teo aloha. Hakana 40.000 Ar raha manana mpandeha vahiny ny sambo. Saziana mandoa 300.000 Ar hatramin’ny 400.000 Ar raha manala olona any amin’ny toerana antsoina hoe “pont fotsy”. “Tsy misy tapakila fanamarinana daholo izany fa lasa any am-paosin’ny mpitaky vola”, hoy ny mpitondra lakana iray.

Nomarihin’ny zandary mpanara-maso ao amin’ny Port Fluvial iray, fa tsy afaka manara-maso ny entana entin’ny lakana izy ireo, satria tsy mazava ny fifanarahan’ny zandarimaria sy ny tompon’andraikitry ny seranan-tsambo.

 

Les commentaires sont fermées.