Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Juncao: karazam-bilona tsara ho an’ny biby fiompy

Juncao: karazam-bilona tsara ho an’ny biby fiompy

Misy karazam-bilona antsoina hoe juncao, avy any Sina, ampiasaina eto amintsika. Tena ambolen’ny Sinoa azy ny toerana mafana. Nanaovana fanandramana tany Vakinankaratra, tao amin’ny foiben’ny Fifamanor Antsirabe, voamarina fa mety sady mamokatra tsara eto amintsika ity karazam-bilona ity. Paikady raisin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep) ny hanapariahana ny juncao manerana ny Nosy.

Marihina fa ny vilona no tena foto-tsakafon’ny biby fiompy (omby, kisoa, ondry, akoho amam-borona,…) fa fanampin-tsakafo ihany ny provandy. Mampihena betsaka ny masonkarena amin’ny provandy noho izany ny fampiasana vilona. Mamokatra be ny juncao, satria ahazoana 500 taonina isaky ny hekitara. Ahafahana mamahana omby miisa 40 hatramin’ny 50 ny vilona amin’ny 1 ha, ary ondry na osy miisa 400 hatramin’ny 500.

Mahatratra 12,7% ny proteina azo amin’ny juncao raha 5,4% monja ho an’ny vilona mahazatra.

Natao ny sabotsy 11 janoary teo, teto Antananarivo ny atrikasa nampahafantarana ny juncao, niarahan’ny Maep sy ny orinasa MTIJC.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.