Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jly Rasolonirina Roger: “Tokony ho ara-dalàna ny taratasy fitazonana basy…”

Jly Rasolonirina Roger: “Tokony ho ara-dalàna ny taratasy fitazonana basy…”

Manampy betsaka amin’ny fampandriana fahalemana eto amin’ny Nosy ny fanaovana ho ara-dalàna ny antontan-taratasy amin’ny ahafahana mitazona basy ho an’ny olom-pirenena. Miara-mirona hanara-dalàna amin’ny fitazonana basy”, araka ny foto-kevitra hoentin’ny fitaleanan’ny fanompoam-pirenena sy fiandry na DSNGR direction du service nationale et de la gestion des reserves, ny Jly Rasolonirina Roger. Mikarakara hetsika faobe amin’ny fanavaozana sy/na fanaovana ho ara-dalàna ny fitondrana basy, mandritra ity volana janoary ity hatramin’ny 31 marsa 2020 ity sampandraharaha ity. Miantso ireo olom-pirenena manana basy, araka izany, ity manamboninahitra ity mba hiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna. “Miainga eo anivon’ny mpitandro filaminana mba ho ohatra halain’ny hafa tahaka”, hoy izy raha namory ireo tompon’andraiki-paritanin’ny fiarovana, omaly teny amin’ny DSGNR Andohalo. Nisy ny toromarika sy fomba fiasa nomen’ny DSGNR hoenti-manatanteraka izany. Tafiditra amin’ny fanavaozana ny rafitra sy fanatsarana ny fomba fiasa ny fandraiketana ara-kajy mirindra ireo antontan-taratasy rehetra. Toy izao  ny tetiandro amin’ity taona 2020 ity : – 01 janoary hatramin’ny 31 martsa: fanisana sy fanaovana ho ara-dalàna ny fitazonana basy; – 01 avrily hatramin’ny 30 jona: fanisana ireo tovolahy feno 18 taona ; – 01 jolay hatramin’ny 30 septambra: fitsarana miaramila; – 01 oktobra hatramin’ny 31 janoary 2021: fandraiketana ny asa rehetra ara-kajy mirindra. Manerana ny nosy izao hetsika izao ka ireto faritra ireto no anaovan’ny DSNGR fidinana ifotony : – 15 janoary 2020 : faritanin’Antananarivo; – 16 janoary 2020 : faritra Amoron’ i Mania ; – 17 janoary 2020 : faritr’ Ihorombe; – 18 janoary 2020 : faritra Toliara; – 23 janoary 2020 : faritra Menabe, Miandrivazo; – 24 janoary 2020 : faritra Menabe, Morondava.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.