Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsaram-bahoaka: matin’ny fokonolona ilay lehilahy mpanao hala-boty

Fitsaram-bahoaka: matin’ny fokonolona ilay lehilahy mpanao hala-boty

Hala-boty niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka. Maty novonoin’ny fokonolona ilay lehilahy nangalatra kafe tamin’ny gony tao Matagna Vangaindrano.

Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy namoy ny ainy ilay lehilahy voalaza fa nangalatra kafe milanja 50 kilao sy “lecteur DVD” tao Matagna, kaominina ambanivohitr’i Vangaindrano, faritra Atsimo Atsinanana, omaly maraina. Araka ny fantatra, manodidina ny tamin’ny 10 ora maraina io lehilahy malaza ratsy amin’ny hala-boty ao an-toerana io no niditra an-tsokosoko tao amina tokantrano iray ao Matagna ka nibata gony nisy kafe tsy lavitra azy teo, niaraka tamina “lecteur DVD” iray ihany koa. Vitany ny asa ratsiny, nivoaka haingana ny trano ity lahilahy manodidina ny 21 taona ity. Tsikaritry ny tompon-trano anefa ny fahabangan’ny entana tao aminy ka avy hatrany dia niantso vonjy ity farany, raikitra ny fanenjehana an’ilay mpanao ratsy. Vokany, niara-niisalahy ny fokonolona nanaraka ilay lehilahy, ary teny an-tsena izy no voasambotra. Taorian’izay, nentin’ny fokonolona teny amin’ny tany malalaky ny fokontany ny mpangalatra ka nanaovan’izy ireo fitsaram-bahoaka. Nifandimby nikapoka azy tsirairay ny fokonolona, nively azy na ny lahy na ny vavy, na ny kely na ny lehibe. Romotra noho ny zava-bitany izy ireo, ary tsy namelany raha tsy tapitra ny ainy.  Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa jiolahy malaza tamin’ny hala-boty ralehilahy ary efa nigadra noho io fomba fanaony io ka efa nandrasan’ny fokonolona ny fahatrarana azy.

Fepetra noraisina

Ny tolakandron’ny omaly no tonga teny an-toerana ny zandarimarian’i Vangaindrano ka nanokatra ny famotorana mahakasika ny raharaha. Ny fanadihadiana, araka izany, no namantarana fa efa namoy ny ainy ilay lehilahy tompon-tanàna io vao nisy nampandre ireo manam-pahefana rehetra. Fantatra tamin’izany ihany koa fa tsy miraharaha ny lalàna velona mahakasika ny fitsaram-bahoaka ny fokonolona fa nandraisan’izy ireo fepetra ny lehilahy. Raha ny fanazavana voaray, aorian’ny fanadihadiana rehetra, atolotra ny fianakaviana ny nofo mangatsiakan’ilay jiolahy.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.