Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ronono biolojika

Ronono biolojika

Ho an’ny mpanjifa, azo fantarina amin’ny alalan’ny fofony ny ronono, ny lokony sy ny harihiny, tokony hatavy tsara raha tsy mitampo-drano ary matsora raha mitampo-drano.

Notsorin-dRazafindrainibe fa miainga any am-potony mihitsy ny fanajana ny lalam-pihariana raha tiana ny hahazoana vokatra tsara. Izy ireo ihany no mamokatra ny sakafo, voajanahary na biolojika avokoa fa tsy mampiasa akora simika mihitsy. Izany hoe, ronono manana ny kalitao biolojika ny vokarin’izy ireo.

Mamboly ny karazana vilon’omby sy ny mololo tahom-bary, tahon-katsaka (ilaina amin’ny ririnina), sy ny fanampin-tsakafo, manamboatra ny provandy (katsaka, tahon-katsaka, totom-boanjo, sns). Ilaina koa ny karazan’omby tsara taranaka, toy ny Pie rouge (tena mety amin’ny toe-tany sy toetr’andro eto amintsika) sy ny Holstein.

 

Nanatontosa: Njaka Andriantefiarinesy

 

Les commentaires sont fermées.