Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Meeting de la Réunion: atleta 12 hiaro ny voninahi-pirenena

Meeting de la Réunion: atleta 12 hiaro ny voninahi-pirenena

Nahazo fanasana hiatrika ny «Meeting», avy amin’ny ligy rezionalin’i La Réunion, taranja atletisma, ny federasiona malagasy. Fifaninanana hotanterahina atsy amin’ny Nosy rahavavy, ny 2 mey ho avy izao. Hitovy endrika amin’ny “Lalaon’ny Nosy” io fihaonana io satria handray anjara amin’izany avokoa ireo Nosy rehetra aty amin’ny ranomasimbe Indianina, toa an’i La Réunion, i Maorisy, i Seychelles, i Mayotte, i Kaomoro.

Hifaninanana amin’izany ny halavirana 100 m sy ny 200 m ary ny hazakazaka 100 m, inefatra mifampitohy, sy ny 300 m steeple, lahy sy vavy. Atleta 12 ny hisolo tena sy hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany ka enina lahy ary enina vavy. Raha ny fandaharam-potoan’ny federasiona, hisy ny lalao fifantenana, ny 22 febroary ho avy izao. Hivoaka aorian’izay ireo handrafitra ny ekipam-pirenena.

Ankoatra izay, hotontosaina any Antsirabe, ny 8 febroary ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny “Cross country”. Io ny hifantenana izay hisolo tena an’i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Lomé Togo, ka hiatrika izany izay voalohany eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy.

Tsy mbola fantatra kosa ny fotoana hanatanterahana io fifaninanan afrikanina io satria nihemotra izany noho ny fisian’ny fifidianana any an-toerana.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.