Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra: any Kameronina ny filohan’ny Caf

Kitra: any Kameronina ny filohan’ny Caf

Mitsisika  ny any Kameronina, nanomboka ny alatsinainy 13 janoary lasa teo, ny filohan’ny Caf, i Ahmad. Mijery, raha voahaja ny fe-potoana, amin’ny asa fanamboarana sy ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa handraisana ny “Can”, hatao amin’ny taona ho avy, 2021, sy ny “Chan 2020”, hotanterahina afaka telo volana  ny tenany.

Hisy koa  ny fihaonany amin’ny minisitry ny Fanatanjahantena any an-toerana. Hofaritana amin’izany koa ny daty sy ny volana hanatontosana io fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny taona ho avy izao, io.

Hojerena amin’izany  na hatao  volana janoary sy febroary, toy ny tany aloha, ny hanatontosana ny lalao na hijanona volana jona sy jolay, toy ny natao tany Egypta farany teo. Tsy maintsy hodinihina ny mahamety ny firenena rehetra, ka tsy hanelingelina amin’ny finoana sy ny toetr’andro.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.