Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Misokatra, manomboka ny 20 janoary izao, ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinana BEPC ho amin’ny taom-pianarana 2019-2020 ity. Tsy hifarana izany raha tsy ny 3 avrily izao. Manana efa-bolana, araka izany, ireo mpianatra hikarakarana ny antontan-taratasy rehetra hiomanana amin’izany fisoratana anarana izany. Tsy tokony hiandry fe-potoana farany vao mivonona fa homanina mialoha ny taratasy rehetra tsy hikoropaka sy hampilamina. Marihina fa hotanterahina ny 20 ka hatramin’ny 23 jolay ny fanadinana BEPC.

 

Omaly, niditra an-tsehatra ny mpianatra nanohana ny tolona ataon’ireo mpampianatra. Tonga nanafika ny mpianatra eny amin’ny lycée Analamahitsy ireo mpianatra avy eny amin’ny lycée Teknika Alarobia ary nandrava ny fampianarana teny an-toerana. Nirohotra nankeny amin’ny lycée Nanisana indray izy ireo avy eo nandrava ny fampianarana teny. Tao anatin’ny filaminana ny fandehan’ny firaisankinan’ny mpianatra tamin’ny mpampianatra. Miandry ny filoham-pirenena ny mpianatra sy ny mpampianatra hitondra fanazavana.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique