Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley – JO: solontenan’i Afrika i Tonizia

Volley – JO: solontenan’i Afrika i Tonizia

 Volana vitsy mialoha ny hanatanterahana ny Lalao Olympika 2020, efa fantatra avokoa ireo Firenena 12 hiatrika izany, eo amin’ny taranja Volley-ball sokajy lehilahy. Ankoatra an-dry zareo Japoney mpampiantrano, isan’ny tena nandrasan’ny maro ny ho solontenan’i Eraopa, izay ry zareo Frantsay no nahazo ny tapakila, rehefa nanilika an-dry zareo Alemana. Niady ny Lalao, saingy nahery ny Reny malala, teo amin’ny lalao famaranana, nahatonga azy ireo hihazo an’i Tokyo. Ankoatra an’i Frantsa, manana solontena hafa ihany koa ry zareo Eraopeana, amin’ny alalan’i Rosia sy Polona ary Italia, izay tafavoaka tamin’ilay fifanitsanana isaky ny kaontinanta tao amin’ny vondrona “C” sy “D” ary “E”. Ny an’ny kaontinanta afrikana, ry zareo Toniziana no solontenantsika, izay azo lazaina fa mbola sangany ary ambony amin’ny teknika sy fahaiza-manao eo amin’ity taranja Volley-ball ity. Nahazo izany tapakila izany koa moa i Brazila, izay tafavoaka mpandresy tao amin’ny vondrona “A”, ry zareo Etazonia tao amin’ny amin’ny vondrona “B” ary i Arzantina tany amin’ny vondrona “F”. Manampy azy ireo kosa ry zareo Iraniana, izay tafavoaka tany amin’ny kaontinanta (AVC), Kanada (Norceca) ary Venezuela (CSV).

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.