Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Efa tafody soa aman-tsara any Kaomoro avokoa ireo Kaomorianina miisa 13 izay nandeha sambo tsy hita nandritra ny 13 andro. Novaliana ny fangatahan’izy ireo ka nalefa fiaramanidina nihazo ny fireneny ireo mpandeha sambo. Tsiahivina fa ny 28 desmbara no niala tao Anjouan hihazo an’i Mohéli ireo mpandeha ireo no sendra ny andro ratsy teny an-dranomasina ka very lalana ary tsy hita intsony ka hitan’ny mpanjono iray teny andrefan’ny Grand Pavois Mahajanga.

Namoy ny ainy, omaly ilay lehilahy voadonan’ny fiara teny Ankazobe By Passs noho ny voina izay nahazo azy. Raha tsiahivina, nofaohin’ny fiara iray tsy mataho-dalana ity farany raha handeha hamonjy fahoriana teny an-toerana ka vaky loha, nahitana fahatapahana ihany koa teo amin’ny tratrany ary teo amin’ny tongony, ny asabotsy teo taorian’ny loza. Ilay fiara kosa nirifatra nitsoaka avy hatrany.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique